lundi 16 février 2009

Antso avo Conférence Nationale Pédagogique citoyenne

Antso avo ho antsika malagasy olom-pirenena tia tanindrazana rehetra
na eto Madagasikara na aty ivelany !


Mampalahelo ve? eny! saingy tsy tokony ahagaga! mifandraika tsàra amin'ny fampitandremana efa nataoko tamin'ny 2002 sy 2006 izao zava-doza izao raha nilatsaka hoe ho fidina ny tenako voasembatsemban'ireo mpisandoka. koa dia mamerina indray aho fa
famindra an-jambany, lonilony lava, savorovoro adàla (manakona ireo tena olana ifotony), faty olona , filalaovana ain’olona, doro, rafitra anjambany, fitifirana ny samy malagasy mpiray tanindrazana, fifanjevona, fitondrana 49 taona (1960-2009) lonaka anaty fitaka, sandoka, amboletra, mambotry tsy mba manana ny hay sy soa fijery mitambatra…49 taona izao no tsy mba hafaka nanao hay sy soa fifanomezana tànana miaramiasa ny samy malagasy zanak'iMadagasikara na ny eto an-toerana na ny any ivelany miaraka.
Ho avy ny kirisy ara-toekarena mahery vaika eran-tany kanefa dia izao ady an-trano izao no hita! diso ady atao diso ora iadivana, diso fitaovana enti-miady !
Na ady saritaka mandrava ny sisa tavela na ny fampiasana pédagojia maha olom-pirenena manodidina latabatra mamoitra ny tena aretina ifotony tsy very fotoana manome vaha olana matotra sy maharitra.
Araka ny efa voalaza tamin’ny volana septembra 2008 tamin’ny blaogy fanabeazana ho olom-pirenena http://madagascar-animation-culturelle.blogspot.com
sy ny site http://madagascar-animation-culturelle.net
an’i Madagasikara manentana ny kolontsaina ho fampivoarana
Sanatria ary amafisina koa fa tsy ny afrikana na ONU velively akory no sehatra tokony hakàna lesona momba ny tena tokony ho soa sy hay fijery mitambatra, ny fahendrena sy ny kolontsaina maha Malagasy

Noho izany, dia hatao Ny 15 jolay ka hatramin’ny 31 jolay 2009 eto antananarivo ny:

Conférence Nationale Citoyenne Pédagogique
pour une Vision nouvelle éclairée digne et stratégique du développement de Madagascar


FIHAONAMBEM-PIRENENA
Fanabeazana sy pedagojia ho olom-pirenena ho amin’ny soa sy hay fijery vaovao ny tena stratejian’ny ho fampivoarantsika ara-drafitra sy ara-tsaina an’i Madagasikara
Loabary an-dasy fanodidinana latabatra Jery todika ho famakafakana fandalinana ara-drafitra sy ara-tsaina Ny 49 taona izao ( 1960-2009 ) ireto fitondrana telo ireto:
Tsiranana-Pisodia Ratsiraka-Arema Ravalomanana–TIM
nahalatsaka an’i Madagasikara anaty lavaka misy ireo firenena mahantra indrindra eto an-tany
sy savorovoro adàla mandripaka…Famakafakana ara-drafitra sy ara-tsaina mahafaobe ary indrindra mamoitra ireo tena aretina ifotony sady manome ny vahaolana matotra sy maharitra ( Analyse-diagnostic multidimensionnelle systémique stratégique des 49 années(1960-2009) de défaillances de Madagascar et les solutions )

Hitarika ary Hanentana ara-drafitra sy ara-tsaina ity 15 andro Fihaonambem-pirenena ity

Ny Profesora Johnson Jacky TAHINA
Profesora Ny Haimarolafy sy ny Rohivondronan-taranja
Consultant Professeur Pluridisciplinaire et Interdisciplinaire
Académie de Rennes sy eto Madagasikara
Enseignant : d’Economie de Droit et des Institutions des Grandes disciplines de Gestions
Marketing Finance et Comptabilité Mathématiques appliquées Technologie et Production Ressources Humaines Méthodologie Management Pratique Systémique
et Stratégie de développement
Université Rennes1 INSA CNAM DIAFOR AFPI CAMPUS KER LANN EPAC St Cyr

Havoitra manokana hazava amin’izany ireto zava-doza aretina miverimberina tsy mahagaga, olana ifotony, nandripaka anaty fahantrana fitaka sandoka fambotriana ara-pitondrana 49 taona ireto :

1°) Ny filohampirenena mbola milatsaka hofidina mikobokobona samy irery ny lalam-pifidianana sy ny lalam-panorenana araka izay mahasoa ny tenany hivalaparany an-jambany ara-pitondrana.
2°) Ny filfidianana filoham-pirenena mbola milatsaka miafina famatsiana ara-bola ny fifidianana sy ny antokony sady manome tsena vahiny no mangorona ho an’ny tenany mikirakira miafina ny arem-pirenena, manenjika am-panidinana ny fanampiana avy any ivelany, no manendry olona any Suisse misy ireo banque offshore manafina ny anaran’ny olona mametraka mampirina vola.
3°) Ny famonona ambohoka ireto fototra dimy tsy azo sarahina miantoka ny aim-pirenena ireto.
- Ny tontolo iainan’ny fifidianana sy ny fanaovana politika tsy misy fanabeazana ( sans pédagogie citoyenne) tsy misy hay fifehezantena ( vide d’éthique) tsy misy hay fifanajana(vide de déontologie) tsy misy fefy famerana lalàna (sans cadre juridique) miafina famatsiana ara-bola lonaka anaty kolikoly mambotry mamono anjambany ny firenena (financièrement occulte c’est à dire corrompu et autodestructeur de la Nation) Ingahy Tsiranana-pisodia Ratsiraka-Arema Ravalomanana-TIM no samy tomponandraikitra voalohany an'izany famonona ambohoka an-jambany ny firenena izany.
- Ny tontolo iainan’ny fitsarana sy lalàna maty ambohoka amin’ny fifidianana sandoka ny filohampirenena misandoka lalam-pifidianana sy lalam-panorenana ary ny famatsiana miafina ara-bola.
- Ny tontolon’ny toekarena igalabonan’ny vahiny mahazo tsena miafina ny fandraofan’ny filoha ho an’ny tenany sy ny manodidina azy hatrany Suisse banque offshore fanafenana vola. Tsy misy famindra mitory fanabeazana sy hay fijery manentana mitambatra.
- Ny tontolo iainan’ny fitondrana: amboletra mandany be, mambotry amin’ny kabary tsy valiana, tsy mahataka-davitra, mahantra ara-panentanana, osa fijery mitambatra, kanosa tsy sahy mifandresy lahatra imaso imaso amin'ny haino aman-jery.
- Ny tontolon’ny fanabeazana: osa, tsy mba manana fitondrana manome famaritra (repère) mendrika.
4°) Ny filohampirenena miafina famatsiana ara-bola sady manendry mivantana sy an-kolaka ny haute cour constitutionnelle milaza fa izy tenany ihany no lany. Sady miarahaba ny tenany no manao amboletra ny antenimiera (hamatsiana ny antokony amin’ny volam-panjakana efa sahirana sady mandany be) izay lanin’izy mianakavy mihoko ao hono no lanin’ny vahoaka…
5°) Ny baiboly natao hitaizana sy hanabeazana taranaka Malagasy lasa fitaovana anakonakonana fisandoana amin’ny fitsofoana vice president FJKM. Very hasina na ny ffkm na ny fivavahana.

Soritana eto fa tsy hisy akory fanakianana fe fanakianana fahatany fa ho matotra ny famindra (olana ifotony sy vaha olana) Hay sy soa famindra mijery mitambatra sady mandalina ifonony tsy mitarazoka.
Tsy hisy resaka kaominisima,na sosialisma poakaty, na kapitalisma habibiana. Ho matotra ny famindra ary 15 andro dia ho vita.
Ampelatan’ingahy Ravalomanana ny haino aman-jery sisa tsy voadoro. Misivana an-kolaka koa ireo filazana vaoavao an-tanan’ireo mpanambola tsy mitonona ( société anonyme) Izany no antony anangonana vola mangarahara ho entina manatanteraka izany adidy masina ho an’i Madagasikara tanindrazantsika izany. Aza ela ary amin'ny fanampiana ara-bola izany
Ny herikerika hono maha tondradrano koa alefaso chèque na mandat amin’ny anaran’I THAÏNA Johnson Jacky 2 rue Poullart des Places 35700 Rennes
Raha sanatria tsy tratra ny vola fara fahakeliny ilaina ho entina manatanteraka dia voatery ahemotra ity fihaonambem-pirenena ity fa tsy foanana akory. Tandindomin-doza anefa ny tanindrazantsika ka ilana hay fifanomezan-tànana.
Efa misy vonona ny fanazavana ireo tena olana ifotony sy ny vaha olana matotra sy maharitra fa sanatria tsy hoe eo vao hikaroka very fotoana sy hery, raha misy moa manana hevitra manokana ho fanatsaràna dia ho raisina an-tandroa izany.
Sanatria tsy fanamaivanana fivavahana fa tsy maintsy jerena ihany koa ny tokony famindra ara-drafitra sy ara-tsaina matotra tsy maintsy hatao aingana.

Ireto avy ary no fandaharana ho hatao amin’izany:
15 jolay 2009 Manodidina latabatra ny Mpiandraikitra ny fanabeazana eto Madagasikara (hasaina manokana amin’izany ireo mpiandraikitra fivavahana FFKM , EKAR mpiandraikitra katolika, FJKM,FLM… ireo fikambanana manara-maso ny fiainam-pirenena abservatoire de la vie nationale)
16 jolay 2009 Manodidina ny latabatra ny antoko politika rehetra
17 jolay 2009 Manodidina ny latabatra ny mpandraharaha sy mpiandraikitra ny toekarena.
18 jolay 2009 Manodidina latabatra ny olom-boafidy
19 jolay 2009 Manodidina latabatra miaraka ny raiamandreny sy fikambanana.
20 jolay 2009 Natokana ho an’ny raiamandreny sy ny zanany.
Ny 31 jolay fandravonana ary fanambarana ho an’ny vahoaka Malagasy.
Havoitra amin’izany ireo vaha-olana fanadiovana fanitsina fototra dimy miantoka ny ain’ny firenena.
Ny lalam-pifidianana ny Lalam-panorenana..
Ny tontolon’ny antoko politika (famaritra, fifehezana, fifanajana, famatsiana ara-bola, famaizana…)
Ny tontolon’ny lalàna sy ny fitsarana (ny zo, ny adidy, ny famaritra, ny fanabeazana, ny famaizana)
Ny tontolon’ny fitondrana ny firenena (ny rafitra sy ny rohivondronany ho toa soa fampivoarana marina).
Ny tontolon’ny fanabeazana
Ny fananganana rafitra manara-maso tsy miato (veille) ara-drafitra sy ara-tsaina ny fitondrana.
Aza adino ny mamangy ny site http://madagascar-animation-culturelle.net
Sy ny blog http://madagascar-animation-culturelle.blogspot.com
Misaotra anareo namaky ity antso ity ary ampitapitao (photocopie na mailaka) amin’ireo havanareo sy namanareo ity antso avo ity.