mercredi 4 juillet 2012

Madagasikara fihaonambe 2012 eto Antananarivo volan jolay sy aogositra 2012


Madagasikara Manentana ny Kolontsaina ho Fampivoarana
Ny Tambazotran'ny Olom-pirenena Hery velona sy ny Manampahaizana zanak'i Madagasikara
Ny fiarahamientan'ny olom-pirenena Ho fampivoarana an'i Madagasikara
Ny Namorona sy filohan'ireo rafitra telo ireo: Pr Johnson Jacky THAÏNA

zoma 15 jiona 2012

Antony: Fanambarana mialoha « Madagasikara fihaonambe 2012 ho tena fanarenana sy fampandrosoana ny firenena ».

Antso avo ho antsika olom-pirenena,
Mangarahara be fa (1960-2012) 52 taona izao no latsaka anaty lavaka misy ireo firenena mahantra indrindra eto an-tany iMadagasikara. Repobilika telo samy fitondrana firenena osa nampididoza ara-drafitra sy ara-tsaina, ka samy niafara hatrany tamin'ny fanapoteana, fandorona , fifamonona ny samy malagasy, fampahantrana ny firenena sy ny taranaka malagasy.
Ary ity Tetezamita telo taona fitondrana avy teny an-dalambe migalabona mandany be sady mbola miotrika fisandoana fifidianana no tsy misy haijery mitambatra, tsy misy haifamoitra ireo tena olana fito ifotony: na ny zava-nisy, na ny zava-misy any ka hitondra ny firenena ho aiza? Tsy misy hairindra vaha olana matotra sy maharitra.

Noho izany rehetra izany dia anentana ny « Madagasikara fihaonambem-pirenena 2012 » Ny profesora Johnson Jacky THAÏNA ny volana jolay sy aogositra 2012. Sady haifanabeazana ny maha olom-prenena tena izy no mampita ny fahalalàna tena ilaina satria mifandraika tsara amin'ny tena filàn 'ny firenena sahirana 52 taona latsaka an-katerena. Entanina manokana ianareo tanora, ny hery velona sy ianareo raiamandreny sy ny manampahaizana rehetra ho tonga anatrika ireto famelabelarana ireto.

O Ireo olana mianjady amin'ny tanora sy ny lehibe: Ny fianarana, fampianarana, fahaizana
tena ilaina eto Madagasikara? Taranja? Fiofanana? ? Ny asa? Ny very asa na ny tsy mahita asa?
Ny fahalalàna sy fahaizana fototra tsy maintsy entanina momba ny orinasa sy ny fampivoarana
Haijery sy fandalinana mamoitra ireo sakana sy olana ifotony ary ny vaha olana tena izy
Sady mampita ny fanabeazana tena izy ny maha olom-pirenena , ny famaritra tena ilaina
sy ny hairindra ho fampivoarana tena izy mifandraika amin'ny tena filan'ny firenena.

O Ireo olana 7 ifotony mianjady manidy an'iMadagasikara ho ripaka anaty fahantrana:
52 taona (1960-2012) fitondrana firenena osa, sady nampahantra no nampididoza ara-drafitra
sy ara-tsaina firenena.
Haijery sy fandalinana mamoitra ireo sakana sy tena olana fito ifotony ary ny vaha olana
Sady mampita ihany koa ny fahalalàna tena izy, ny fanabeazana ny maha olom-
pirenena, ny famaritra tena ilaina, sy ny hairindra ho fampivoarana tena izy ny firenena.




                                    Johnson Jacky TAHINA
                 Profesora Ny Haimarolafy sy ny Rohivondronan-taranja
                       Professeur Pluridisciplinaire et Interdisciplinaire
                                           Académie de Rennes et à Madagascar
        Enseignant : d’Economie     de Mondialisation     de Droit et des Institutions
               des Grandes disciplines de Gestions Marketing Finance et Comptabilité 
               Ressources Humaines Communication Mathématiques appliquées
               Technologie et Production Méthodologie
               Management Pratique Systémique et Stratégie de développement
       Enseignant    à l’Université de Rennes 
                      DIAFOR CFAI AFPI Campus KER LANN
                      EPAC St Cyr INSA CNAM

      Consultant en pédagogie citoyenne ingénierie stratégie du système éducatif et de formation
      en audit pratique systémique stratégie d'entreprise et du développement

Candidat à l'élection présidentielle
wwwmadagascar-animation-culturelle.blogspot.com