mardi 1 janvier 2013



ASARAMANITRA e !

Ny RARY taona 2013
Ka ny tena TSARA indrindra
satria tena mifandraika amin'ny filàny
ary ataontsika zanany
ho an'i Madagasikara.





29 desambra 2012

Rafitra TELO no manolotra ary maneho ity Asaramanitra sy RARY 2013 ity entan'ny saina sy ny fo amin'ny maha olom-pirenena.

Ny Tambazotran' ny Olom-pirenena Soafitambaran' ny Hery velona, ny Manam-pahaizana sy ny Zanaka malagasy (eto Madagasikara sy manerana izao tontolo izao).

Ny Fiaraha-mientan'ny Olom-pirenena ho Fampandrosoana an'i Madagasikara.

Ny Madagasikara Manentana ny Kolontsaina ho Fampandrosoana.


Ny mpiandraikitra, filoha ary nanangana ireo rafitra efatra ireo

                          Johnson Jacky THAÏNA
          Profesora Ny Haimarolafy sy ny Rohivondronan-taranja
                 Professeur pluridisciplinaire et interdisciplinaire

Professeur d’Économie    de mondialisation     de droit et des Institutions
                   De Gestions      Marketing     Finance     RH     Management
                   Technologie      Méthodologie       Communication et culture
                   Pratique systémique    et    stratégie de développement
Enseignant à l’Université de Rennes       Campus Ker Lann
                   École d’Ingénieur INSA    CNAM    Epac Saint Cyr

Consultant Ingénierie du système éducation-formation-
                   entreprise- développement et mondialisation
                   Ingénierie de l’entreprise audit Veille
                   Vision systémique et stratégie du développement

                       Kandidà  milatsaka ho fidina ho
                 Prezidà ny Repoblikan'i Madagasikara


« Site » azonao vangina:
wwwmadagascar-animation-culturelle.blogspot.com
madagsacar animation culturelle pour le développement


Mba ampifandraika tsàra amin'ny tena filàn'i Madagasikara, dia tena tsàra ny mamohitra mazava tsàra mialoha, ireto zava-misy efatra marina mangarahara ireto :

Ny « BITRO » : Ny atao hoe Prezidà ny Repoblika , na Praiministra, na Ministra « BITRO » dia olona TAFATSOFOKA eo amin'ny fitondrana kanefa tsy manana ny fahaizana, tsy manana ny fahalalàna, na tsy nahita fianarana, tsy nisy fifidianana madio, fa ny Mpitondra firenena vahiny any ivelany no nanao amboletra misandoka fifidianana mametraka azy ireo ho tombomtsoan-dry zareo any ivelany.
Ny « BOLOKY » : Rehefa mba mandray fitenenana ireny « BITRO » Prezidà ny Repoblika, na Praiministra, na Ministra ireny dia TSY FANTANY, TSY AZONY akory izay kabary asain'ireo mpitondra firenena vahiny any ivelany ataony, na koa dia tena poak'aty ka sady manala baraka firenena no mampididoza mamono anaty FAHANTRANA ny taranaka malagasy.

Ndao ary e!...,

1°) Ny MARINA « mangarahara » voalohany:
Ny Kolontsaina malagasy dia manana ny haifahamendrehana sy ny haifanajana voajanahary, amin'ny tsy mba mitsabatsabaka amin'ny izay fifidianana filohampirenena misy any amin'ny firenena hafa (na any Amerika, na atsy Afrika Atsimo, na any Frantsa).
Tsy i Madagasikara velively na ny Fitondrana firenena malagasy no sanatria isafidy anao amboletra hoe :
      • Olona mpitondra Ronono TSY NAHITA FIANARANA sahala amin'ingahy Ravalomanana no ataon'i Madagasikara amboletra ho filohan'i Amerika fa tsy ingahy OBAMA.
      • Ary i FRANTSA indray koa, dia olona TSY NIANATRA fa DJ mpampandihy mpanao dokambarotra hetsi-po sahala amin'ingahy Andry Rajoelina no ataon'i Madagasikara amboletra ho Prezidà ny Repoblika Frantsay fa tsy ingahy Sarkozy na ingahy Hollande.
      • Sahala amin'izay koa i Afrika Atsimo.
      • Ny fifidianana any Amerika, na any Afrika Atsimo, na any Frantsa dia ilàna fankatoavan'i Madagasikara sy ireo firenena ao Afrika vao azo ekena. Eo am-piandrasan izany dia FAT ! teteza-mita an-taonany maro ka ny Prezidàn'io teteza-mita io dia « BITRO » olona TSY NIANATRA fa DJ mpampandihy mpanao dokambarotra hetsi-po, mandimby mpitondra ronono tsy nahita fianarana. no mitondra ireo firenena TELO ireo.
      • BITRO miaramila Amiraly, na jeneraly tsy ampy, na tsy nanavao fahalalàna ; na olona tsy nahita fianarana ihany no « BITRO » any mahazo milatsaka atao Prezidà ny Repoblika ao Amerika, Afrika Atsimo, sy i Frantsa.
Mazava mangarahara izany fa na olom-pirenena tsotra, ary indrindra fa ny Mpitondra firenena (Amerika, Afrika Atsimo, Frantsa), dia tena ilaina mihitsy ny mba ho olona manana saina mahatakatra izany atao hoe fara fahakelin' ny haifanajana ny firenena hafa (aty Afrika sy i Madagasikara) sy ny vahoaka ao aminy izany.

2°) Ny MARINA « mangarahara » faharoa.
Na amin'ny fotoana milamina mora ny fiainana, ary indrindra amin'ny sarotra « kirizy », ny vahoaka sy ny firenena dia miandrandra ary tena mila fitondrana firenena, Prezidà ny Repoblika, governemanta, NAHITA FIANARANA, manavao tsy miato ny fahaizany sy ny fahalalàny, manana ny haijery mitambatra (ny lasa, ny anio, ny ho avy) ny haipedagojia (manazava sy manome ny famaritra "repère") , ny haimisahana sy ny hairindra na ara-drafitra na amin'ny lafin'ny saina, ireo olana rehetra ara-pitondrana, ho soa maharitra ho an'ny firenena ary indrindra koa, mba tsy ampidi-doza eo amin'ny samy firenena eran'izao tontolo izao.

Mangarahara izany fa tena ilaina mihitsy ny mba ho olona NAHITA FIANARANA ary manana fahalalàna sy fahaizana no sady manavao izany tsy miato no mitondra firenena.

Firenena Telo (Amerika, Afrika Atsimo, Frantsa) anefa no SAHY milaza mitonona manao amboletra ny tenan-dry zareo fa « vondrona fianakaviambe iraisampirenena ! hono ry zareo!» ary tena ilaina ny fankatoavan-dry zareo !hono izay fifidianana atao eto Madagasikara !.

E!!!TANDREMO anefa !!! Na i Amerika, na i Afrika Atsimo na i Frantsa dia tena tsy tian-dry zareo velively mihitsy ny hoe misy firenena hafa mitsabatsabaka amin'izay fifidianana ataony any amin'ny fireneny avy !!!.
Ry zareo kosa tsy misalasala manao AMBOLETRA aty Afrika ary indrindra i eto Madagasikara. Mila ny fankatoavan-dry zareo hono izay fifidianana atao !

Ho an'i AMERIKA sy i AFRIKA ATSIMO ary dia « OLONA TSY NAHITA FIANARANA » fa mpitondra ronono nangorona harena (ingahy Ravalomanana nandositra any Afrika Atsimo) no ataondrizareo amboletra ho Prezidan'i Madagasikara.
Ampiasain-dry zareo ho FITAOVANA ny haino aman-jery isan'andro isan'andro...sy ny fivavahana nahetrin-dry zareo ho etam-barotra (ny fiangonana fjkm-Andriamanitra...)
Ho an'i Frantsa kosa indray, dia OLONA TSY NIANATRA fa mpampandihy mpanao dokambarotra hetsi-po no ataony amboletra ho Prezidan'i Madagasikara.

Ireo firenena TELO (AMERIKA, AFRIKA ATSIMO, FRANTSA) ireo izany no mikajy manao amboletra fa olona TSY NAHITA FIANARANA no atao ho Prezidà ny Repoblikan'i Madagasikara. Ka, raha mitraotra ny vahoaka, dia lasa fitondrana adàla, dia ry zareo ihany no manolo izany ho fitondrana adàla vaovao! "BITRO" vaovao indray avy ao anaty « listra » any amin-dry zareo... 53 taona izao! (1960-2013).

Ny atao hoe amboletra ve?
    • Isan'andro isan'andro dia ny SARY be ! sy ny ANARAN'ireo olona roa ireo, ny vaovao DISO (désinformation), no lazaina sy soratana ho amboletra ilentika any an-tsain'ny vahoaka... « any amparahatoka »...na dia hita izao aza fa poak'aty mampididoza ny fitondtrana firenena.... (efa voageja voavidin'ireo mpitondrana firenena vahiny ny haino aman-jery eto Madagsikara ... hatramin'ny RtM sy ny TvM !...).
    • Nanapakevitra ry zareo firenena TELO (AMERIKA, AFRIKA ATSIMO, ary FRANTSA) fa RY ZAREO no AMATSY VOLA (sahala amin'izay efa nataon-dry zareo 53 taona izay 1960-2013) REPOBLIKA malagasy TELO samy MATY AMBOHOKA amin'ity POIZINA efa MAZAVA BE (vatsy VOLA MIAFINA sady FEFY fibahanana (barrière financière) no fisandoana - ny « solosaina » logiciel fisandoana ny valin'ny fifidianana efa fampiasan-dry zareo koa atsy Afrika – tsy adino ireo vahiny mody atao hoe « teknisiana mpanolotsaina » kanefa mpisandoka fifidianana no tena asany – ao koa ireo« BITRO  vahiny navaokan-dry zareo avy any anaty satroka» hoe mpanara-maso vahiny hono saingy efa voakaraman-dry zareo ilaza fa VITA TSARA ny fifidianana eto Madagasikara sady TENA ENDRY !!! ny malagasy!. Dia ao koa ireo malagasy « BITRO malagasy voafantin-dry zareo voavidy » ho mpanara-maso nataondrizareo teny amboletra hoe « tsy miankina hono » CENI CENIT efa fahita tao Afrika kanefa ry zareo ihany no MISOKO mangina ao ; mbola ao koa ireo « BITRO malagasy mody atao hoe MPIFANINANA poak'aty ara-pitondrana firenena!»...ao koa ireo BITRO malagasy ao amin'ny HCC sy ingahy Norbert Lala Ratsirahonana izay mpisandoka efa ela ny Lalàmpifidianana sy ny Lalàmpanorenana ( faha Ratsiraka sy faha Ravalomanana) ary io mbola misandoka miaraka amin'ingahy Andry Rajoelina, manilika ny malagasy manana fahaizana ka ho voatokana ho an'ny olona TSY NAHITA FIANARANA na MIARAMILA tsy ampy na tsy nanavao fahalalalàna ny ny hoe Kandidà mahazo milatsaka ho fidiana Prezidà ny Repoblika...
      Ny TAFIKA malagasy, ny fiangonana FJKM-Andriamanitra efa samy  nahetrin-dry zareo ho etam-barotra « BITRO » fitaovana atao amboletra...
       Ary indreo kosa soritana manokana ireto BITRO ROA ! amboletra :

Ho an'ny AMERIKA sy i AFRIKA ATSIMO dia ataon-dry zareo amboletra :
   OLONA TSY NAHITA FIANARANA fa mpitondra ronono (ingahy  Ravalomanana)  no tena tsàra ho Prezidan'ny Repoblika an'i Madagasikara.
                
   
Ho an'ny FRANTSA kosa dia :
  OLONA TSY NAHITA FIANARANA fa mpanpandihy Mpanao afera dokambarotra hetsi-po Atoa Andry RAJOELINA ataony amboletra ho Prezidà ny Repoblika.
         
.

3°) Ny MARINA « mangarahara » faha TELO.
53TAONA (1960-2013) izao REPOBLIKA Malagasy TELO samy MATY AMBOHOKA Fifidianana efa VOAPOIZINA mialoha ka samy niafara tamin'ny rotaka, famotehana, doro, fitifirana samy malagasy, ratra, maty, ny fiflalaovana hetsi-po amin'ny vata-paty etsy amin'ny kianjan'ny 13 mai, ny fandosiran'ilay mpitondra naniry ny ivalapatra mandritra ny fiainany « bitro avy tao anaty satrok'ireo mpitondra vahiny » no « boloky rehefa mba miteny amin'ny vahoaka na any ivelany »... Lasa fitondrana adàla ! misolo fitondrana adàla efa voakajin-dry zareo firenena TELO ireo...

MANGARAHARA izany fa matoa misy fienena Nosy iray sahala amin'i Madagasikara, DAROFAN'ny mpitondra firenena TELO fotsiny ( Amerika, Afrika Atsimo, Frantsa ), mahavatra manao izao (53 taoana 1960-2013) fampahoriana, fampahantrana maharitra vahoaka izao, dia POROFO izany fa amin'izao fanontoloana (Mondialisation) izao, dia TSY MISY FITSIPIKA na RAFITRA natao IARO ireo firenena DAROFANA anaty fahantrana (aty Afrika sy i Madagasikara) .Na ny ONU aza efa an-tanan-dry zareo firenena TELO ireo.

Ny TAFIKA Malagasy lasa BITRO ve ?
    • Ao ireo nandositra, Amiraly nanapoka ny trosan'ny firenena, nanantena igalabona mandritry ny fiainany, nampitifitra malagasy, nanapoaka tetezan'ity firenena efa sahirana, nanao fairano faritra, ...nitsaoka nandositra any ivelany.
       ao koa ireo Kolonely tsy ampy ary osa fanabeazana ka migadra.
    • Tao koa  ireo JENERALY tsy nahalala menatra nisandoka fifidianana tao amin'ny Ministeran'ny Aty Tany.
    • Ao ireo Kolonely lasa JENERALY nomen'ny Fitondrana avy ENY AN-DALAMBE tsy voafidin'iza n'iza (HAT CST CT,) grady JENERALY ! samy tsy misy mahalala menatra na ny fitondrana ADALA manome grady JENERALY na ny KOLONELY omena ny GRADY Jeneraly. Samy mandany vola be, milalao tsena miafina, mandimby fitondrana adàla, TSY VOAFIDIN'IZA N'IZA fa hita izao fa « BITRO » mivalapatra! napetraky ny mpitondra firenena vahiny ary BOLOKY poak'aty rehefa mba mandray fitenenana. ...mpanararaotra fahorian'ny firenena malagasy sy ny fanabeazana osa sahirana amin'ny fitondrana adàla ! mandimby fitondrana adàla!
      Ary iza iry? Kolonely izy dia lasa praiministra ny fitondrana avy eny an-dalambe tsy voafidin'iza n'iza!...dia lasa jeneraly fitondrana avy eny an-dalambe! dia lasa MASOIVO any amin'ny OMC Organisation Mondiale du Commerce! any no miray mioko ireo firenena mahatanjaka mangeja ny nampahantrana! sady MASOIVO koa hono any Genève! misy ireo banky fanafenan'nireo Mpitondra firenena misandoka harem-pirenena! fitondrana avy eny an-dalambe ve sa mpitondra firenena vahiny any ivelany? ary ho tombontsoan'iza???
      IZANY NO FAMBARA MARO ary POROFO fa MARATRA sady MANALA BARAKA mila FANARENANA FANAVAOZANA IFOTONY ara-dRAFITRA sy amin'ny lafin'ny SAINA amin'ny HAYfanabeazana sy ny tena HAYfampandrosoana ny TAFIKA Malagasy.
Ny fivavahana FJKM-Andriamanitra koa ve ? dia lasa fitaovana voahetry ho etam-barotra « BITRO » koa?. Nivory nisoko mangina tao Manakara ireo Pasitera ! FJKM (Aogositra 2012) ka avy any no « niaviny indray »: Lasan'ny « BITROn'ny Amerika sy Afrika Atsimo » (ingahy Ravalomanana nandositra any Afrika Atsimo) indray ny FJKM-Andriamanitra voaetrin-dry zareo indray ho fitaovana sy etam-barotra azo vidina, amidy ary voavidy!... Nisy tokoa ireo Pasitera TSY SAHY akory nanao tatitra ilay amboletra amin'ny mpiangona !.

 
.
Ny TONTOLO iainan'ny « politika » sy ny « ANTOKO politika » 53 taona (1960-2013) VOAPOIZINA. Efa an-jatony maro ary mbola itombo isa...Sehatra voakajin'ireo mpisandoka ho gaboraraka ho feno « BITRO » : Tsy MISY fanabeazana na dikany omena ny atao hoe « politika », TSY MISY Kahie famerana « cahier des charges » mamaritra ny adidy izay vao ny zo, TSY MISY lalàna mametra ny fefy, TSY MISY lalàna mifehy ny famatsiana ara-bola, ny Ministry ny Aty tany moa dia na sivily tao na miaramila tao dia samy BITRO lonaka anaty tsikombakomba sandoka fifidianana...
Mazava be izany fa fanaovana politika sy ANTOKO politika tsy MISY Etika hafifehezan-tena, TSY MISY deonôlôjia haififanajana,...fa BITRO be dia be nataon'ireo mpitondra firenena any ivelany sy ireo orinasa savorvoro (multinationale) ho fanakorotanana amin'ny vatsy vola miafina sady anao amboletra ireo Antenimiera roa.

MANGARAHARA izao fa MIONDRIKA entin'ireo mpitondra TSY NAHITA FIANARANA sady MPISANDOKA tena tsy manana ny fahalalàna ara-pitondrana takian'ny andraikitra AVO, ny FIRENENA malagasy 53 taona izao (1960-2013).
« BITRO », « BOLOKY », « JAMBA », mpanararaotra, manidy firenena anaty trosa, fahantrana, mamono an-jambany ny taranaka malagasy  ireo fitondrana nifanesy 53 taona (1960-2013).

4°) Ny MARINA « mangarahara » faha efatra.
Mbola ireo IREO firenena TELO (Amerika, Afrika Atsimo sy Frantsa) ary ireo « BITRO », « BOLOKY »,...mpisandoka napetran-dry zareo ireo ihany indray hono no anao ny fifidianana ny Prezida ny Repoblika eto Madagasikara sy ny Repoblika vaovao !faha efatra ! amin'ny volana mai 2013 !

LOZA ! Izany tokoa no tena hoe : sady tsy mahalala menatra ! No manala baraka an'i Madagasikara ! Efa nanetry ary mbola manetry ny vahoaka malagasy ho mpifidy adàla indray.

MAZAVA mangarahara milamina HO AZY ary izao ny RARY 2013 TAONA VAOVAO, tena tsàra sy mendrika indrindra ATAONTSIKA zanany ho an'i MADAGASIKARA.

HO soa tafatambatra ho tambazotra lasitra fototra iray ho soa sy mahay miara-miasa ny Hery velona, ny manampahaizana sy ny zanaka malagasy (eto Madagasikara sy
eran'izao tontolo izao) ho amin'ny :
   - Haifanabeazana ho olom-pirenena. 
   - Haifampandrosoana an'i Madagasikara.

  1. MANOHY ny asany Ny Tambazotran'ny zanak'i Madagasikara, lasitra fototra efa natsangana ho amin'ny : haijery (vision) mitambatra (ny lasa, ny anio, ny rahampitso sy ny ho avy « ny taranaka malagasy sy i Madagasikara » ), ny haifitantanana ny fitondrana firenena, ny fanatsarana tsy miato, ny haifanentanana ary ny haifamondronana ireo fahaizana avo lenta anan'ireo zanaka malagasy eto an-toerana sy manerana izao tontolo izao ho amin'ny hai-fanabeazana maha olom-pirenena sy ny hai-fampandrosoana tena izy an'i Madagasikara.

  2. TSY AHETRY intsony ho « mpifidy adàla » « électeur imbécile » toa izay 53 taona lasa izay (1960-2013) ny vahoaka malagasy.
    Tsy avela intsony ho maty ambohoka foana amin'ny « poizina vatsy vola miafina » ataon'ireo mpitondra firenena vahiny any ivelany (te ametraka mpitondra firenena malagasy TSY NAHITA FIANARANA BITRO BLOKY adàla) ny fifidianana eto Madagasikara.
    53 taona izao (1960-2013) Repoblika telo filoha telo samy nitsaoka nandositra (rehefa samy nanao fifidianana misandoka, mandripaka harem-pirenena, miafara amin'ny herisetra, ady , famotehana, doro, fitifirana ny samy malagasy, ratra, faty, filalaovana hetsi-po amin'ny vata-paty etsy amin'ny kianjan'ny 13 Mai... tetezamita misandoka tsy lanin'iza n'iza, tsy mahalala menatra mivalapatra an-taonany maro mandany be, misoko mangorona tsena, manararaotra mandripaka harem-pirenena, fitaovan'ireo fitondrana firenena vahiny any ivelany , manimba ny Tafika malagasy, manimba ny Fivavahana Fiangonana fjkm, manimba ny fanabeazana..., adàla manetry ny firenena an-jambany anaty fahantrana maharitra).

  3. TSY HISY intsony ny « Lasa fitondrana adàla ny firenena» malagasy misolo « fitondrana adàla »... efa vita kajy ataon'ireo mpitondra firenena vahiny any ivelany izay sahy mandefa Afrikana anome lesona ho an'ny malagasy ny atao hoe « fahendrena Malagasy »...
  1. Ho voatsabo tanteraka ireto Aretina FITO ifotony izay efa voavoitra ary efa hita vaha olana matotra sy maharitra ho ampiarina.
    - Ny Tontolo iainan'ny Fifidianana sy ny hifehezana ny Antoko politika.
    - NY Tontolo iainan'ny Lalàna sy ny Fitsaràna.
    - Ny Tontolo iainan'ny toetsaina orinasa sy ny Toekarena tia tanindrazana.
    - Ny Tontolo iainan'ny Fanabeazana sy ny Fampianarana.
    - Ny Tontolo iainan'ny Fitondrana Firenena.
          - Ny fanarenana ara-drafitra sy eo amin'ny lafin'ny saina ny atao hoe TAFIKA malagasy (ny fianarana sy fanabeazana fototra omena ireo miaramila ary indrindra    ny fianarana mitohy tsy miatoho fanatsarana izany mba tsy ampidi-doza  manalabaraka firenena intsony 53 taona izao) 
          - Ny fandraràna ny fampiasana ny birao fiangonana (fjkm) ho fitaovana politika (amin'ny dikany maloto).
5°) Tsy hisy intsony ny hoe FIDIO fa bôgôsy, na Pasitera, na Mpitondra Ronono tsy nahita fianarana, na mpanentana Dihy sy hetsi-po dokambaratra tsy nianatra firy, Na Amiraly...na Jeneraly tsy manana, na tsy nanavao fahaizana takian'ny andraikitra, na tena Endry fa tsy nahita fianarana!!!...na dia toanana mpanakanto aza...

6°) Fifidianana tsy hitsabatsabahan'ny firenena vahiny, tsy mila mandany vola be, fa vola an'ny fitondrana malagasy tsinjaraina mitovy.

 
7°) TSY AVELA INTSONY ho gaboraraka 53 taona (1960-2013) mampididoza ny TONTOLO iainan'ny politika sy ny antoko politika.
        • Hisy boky famerana (cahier des charges) ho an'izay te anangana ka voalaza ao ny adidy sy ny zo.
        • Ny Lalàna mametra ny fefy, sy ny sazy ampiarina.
        • Ny Lalàna mifehy ny famatsiana ara-bola sy ny sazy ampiarina.
        • Ny andrimaso mandrindra ny fanatsaràna tsy miato.
 8°)Ny FANAFOANANA ! io fifidianana Prezidà ny Repoblika efa voapoizin'ireo mpisandoka ataony amboletra amin'ny MAI 2013 io.

9°) Amin'ny 1er Aogositra 2013 no fifidianana Prezida ny Repoblika madio ary ny Jolay 2013 ny fampielezan-kevitra.
Tsy misy manilika malagasy hilatsaka ho fidiana  (na i Pr Tahina aza hafaka milatsaka hofidiana).

Malagasy sahy ary TSY MAINTSY mifanatrika mivantana amin'ireo mpifaninana aminy, eo imasom-bahoaka, manamporofo fa ananany ny hai-jery mitambatra ny lasa, ny anio sy ny rahampitso, ireo aretina ifotony nandaroka 53 taona 1960-2013 anty lavaka misy ireo firenena mahantra nampahantrana indrindra eto an-tany, izay izy vao manome ny praogramany mampangarahara ny fahaizany sy ny fahalalany hitondra ny firenena.

Mazava ho azy fa ilatsaka ho fidiana i Pr TAHINA

ASARAMANITRA e !
RARY SOA     TAONA vaovao 2013 !
ho anareo sy ho an'i MADAGASIKARA tanindrazana iombonantsika asandratra ho AVO !

Tahina.