ASARAMANITRA
e !
Ny
RARY taona 2013
Ka
ny tena TSARA
indrindra
satria
tena mifandraika amin'ny filàny
ary
ataontsika zanany
ho
an'i Madagasikara.
29
desambra 2012
Rafitra
TELO no manolotra ary maneho ity
Asaramanitra sy RARY 2013 ity entan'ny saina
sy ny fo amin'ny maha olom-pirenena.
Ny
Tambazotran' ny
Olom-pirenena Soafitambaran'
ny Hery velona, ny
Manam-pahaizana sy ny Zanaka
malagasy (eto Madagasikara sy manerana izao tontolo
izao).
Ny
Fiaraha-mientan'ny Olom-pirenena
ho Fampandrosoana an'i
Madagasikara.
Ny
Madagasikara Manentana ny Kolontsaina ho Fampandrosoana.
Kandidà milatsaka ho fidina ho
Prezidà ny Repoblikan'i Madagasikara
Ny mpiandraikitra, filoha ary nanangana ireo rafitra efatra ireo
Johnson
Jacky THAÏNA
Profesora Ny
Haimarolafy sy ny Rohivondronan-taranja
Professeur pluridisciplinaire
et interdisciplinaire
Professeur
d’Économie de mondialisation de droit et des Institutions
De
Gestions Marketing Finance RH Management
Technologie
Méthodologie Communication et culture
Pratique
systémique et stratégie de développement
Enseignant
à l’Université de Rennes Campus
Ker Lann
École
d’Ingénieur INSA CNAM Epac Saint Cyr
Consultant
Ingénierie du système éducation-formation-
entreprise-
développement et mondialisation
Ingénierie
de l’entreprise audit Veille
Vision
systémique et stratégie du développement
Kandidà milatsaka ho fidina ho
Prezidà ny Repoblikan'i Madagasikara
« Site » azonao vangina:
wwwmadagascar-animation-culturelle.blogspot.com
madagsacar animation
culturelle pour le développement
Mba
ampifandraika tsàra amin'ny tena filàn'i Madagasikara,
dia tena tsàra ny mamohitra mazava tsàra mialoha, ireto
zava-misy efatra marina mangarahara ireto :
Ny
« BITRO » :
Ny atao hoe Prezidà ny Repoblika , na Praiministra,
na Ministra « BITRO » dia olona
TAFATSOFOKA eo amin'ny fitondrana kanefa tsy manana ny
fahaizana, tsy manana ny fahalalàna, na tsy
nahita fianarana, tsy nisy fifidianana madio, fa ny Mpitondra
firenena vahiny any ivelany no nanao amboletra
misandoka fifidianana mametraka azy ireo ho tombomtsoan-dry zareo any ivelany.
Ny
« BOLOKY » :
Rehefa mba mandray fitenenana ireny « BITRO »
Prezidà ny Repoblika, na Praiministra, na Ministra ireny dia TSY
FANTANY, TSY AZONY akory izay
kabary asain'ireo
mpitondra firenena
vahiny any ivelany
ataony, na koa dia tena poak'aty
ka sady manala baraka firenena no mampididoza mamono
anaty FAHANTRANA ny taranaka malagasy.
Ndao
ary e!...,
1°)
Ny MARINA « mangarahara » voalohany:
Ny
Kolontsaina malagasy dia manana
ny haifahamendrehana sy ny haifanajana
voajanahary,
amin'ny tsy mba mitsabatsabaka
amin'ny izay fifidianana filohampirenena misy any amin'ny
firenena hafa (na any Amerika, na atsy Afrika
Atsimo, na any Frantsa).
Tsy
i Madagasikara velively na ny Fitondrana firenena malagasy no
sanatria isafidy anao amboletra hoe :
- Olona mpitondra Ronono TSY NAHITA FIANARANA sahala amin'ingahy Ravalomanana no ataon'i Madagasikara amboletra ho filohan'i Amerika fa tsy ingahy OBAMA.
- Ary i FRANTSA indray koa, dia olona TSY NIANATRA fa DJ mpampandihy mpanao dokambarotra hetsi-po sahala amin'ingahy Andry Rajoelina no ataon'i Madagasikara amboletra ho Prezidà ny Repoblika Frantsay fa tsy ingahy Sarkozy na ingahy Hollande.
- Sahala amin'izay koa i Afrika Atsimo.
- Ny fifidianana any Amerika, na any Afrika Atsimo, na any Frantsa dia ilàna fankatoavan'i Madagasikara sy ireo firenena ao Afrika vao azo ekena. Eo am-piandrasan izany dia FAT ! teteza-mita an-taonany maro ka ny Prezidàn'io teteza-mita io dia « BITRO » olona TSY NIANATRA fa DJ mpampandihy mpanao dokambarotra hetsi-po, mandimby mpitondra ronono tsy nahita fianarana. no mitondra ireo firenena TELO ireo.
- BITRO miaramila Amiraly, na jeneraly tsy ampy, na tsy nanavao fahalalàna ; na olona tsy nahita fianarana ihany no « BITRO » any mahazo milatsaka atao Prezidà ny Repoblika ao Amerika, Afrika Atsimo, sy i Frantsa.
Mazava
mangarahara izany fa na
olom-pirenena tsotra, ary indrindra fa ny Mpitondra
firenena (Amerika, Afrika Atsimo, Frantsa), dia tena ilaina mihitsy ny mba ho olona manana saina
mahatakatra izany atao hoe fara fahakelin' ny
haifanajana ny firenena
hafa (aty Afrika sy i Madagasikara) sy ny vahoaka ao aminy izany.
2°)
Ny MARINA « mangarahara » faharoa.
Na
amin'ny fotoana milamina mora ny fiainana, ary indrindra amin'ny
sarotra « kirizy », ny vahoaka sy ny firenena dia
miandrandra ary tena mila fitondrana firenena, Prezidà
ny Repoblika, governemanta, NAHITA FIANARANA, manavao tsy
miato ny fahaizany sy ny fahalalàny, manana ny haijery
mitambatra (ny lasa, ny anio, ny ho avy) ny
haipedagojia (manazava sy manome ny famaritra "repère") ,
ny haimisahana sy ny hairindra na ara-drafitra na
amin'ny lafin'ny saina, ireo olana rehetra ara-pitondrana, ho
soa maharitra ho an'ny firenena ary indrindra koa, mba
tsy ampidi-doza eo amin'ny samy firenena eran'izao
tontolo izao.
Mangarahara
izany fa tena ilaina mihitsy ny mba ho olona NAHITA FIANARANA ary
manana fahalalàna sy fahaizana no sady manavao izany tsy
miato no mitondra firenena.
Firenena
Telo (Amerika, Afrika Atsimo, Frantsa)
anefa no SAHY milaza mitonona manao amboletra ny tenan-dry zareo fa
« vondrona fianakaviambe iraisampirenena ! hono ry zareo!»
ary tena ilaina ny fankatoavan-dry zareo !hono izay
fifidianana atao eto Madagasikara !.
E!!!TANDREMO
anefa !!! Na i Amerika, na i Afrika Atsimo na i
Frantsa dia tena tsy tian-dry zareo velively
mihitsy ny hoe misy firenena hafa mitsabatsabaka
amin'izay fifidianana ataony any amin'ny fireneny avy !!!.
Ry
zareo kosa tsy misalasala manao AMBOLETRA aty Afrika
ary indrindra i eto Madagasikara. Mila ny
fankatoavan-dry zareo hono izay fifidianana atao !
Ho
an'i AMERIKA sy i AFRIKA ATSIMO ary dia « OLONA
TSY NAHITA FIANARANA » fa mpitondra ronono
nangorona harena (ingahy Ravalomanana nandositra any Afrika Atsimo) no ataondrizareo amboletra ho
Prezidan'i Madagasikara.
Ampiasain-dry
zareo ho FITAOVANA ny haino aman-jery isan'andro
isan'andro...sy ny fivavahana nahetrin-dry zareo ho etam-barotra
(ny fiangonana fjkm-Andriamanitra...)
Ho
an'i Frantsa kosa
indray, dia OLONA TSY NIANATRA fa
mpampandihy mpanao dokambarotra hetsi-po no
ataony amboletra ho Prezidan'i Madagasikara.
Ireo
firenena TELO (AMERIKA, AFRIKA ATSIMO, FRANTSA) ireo izany no
mikajy manao amboletra fa olona TSY NAHITA FIANARANA no
atao ho Prezidà ny Repoblikan'i Madagasikara. Ka, raha
mitraotra ny vahoaka, dia lasa fitondrana adàla, dia ry zareo ihany
no manolo izany ho fitondrana adàla vaovao! "BITRO" vaovao indray avy ao anaty
« listra » any amin-dry zareo... 53 taona izao!
(1960-2013).
Ny
atao hoe amboletra ve?
- Isan'andro isan'andro dia ny SARY be ! sy ny ANARAN'ireo olona roa ireo, ny vaovao DISO (désinformation), no lazaina sy soratana ho amboletra ilentika any an-tsain'ny vahoaka... « any amparahatoka »...na dia hita izao aza fa poak'aty mampididoza ny fitondtrana firenena.... (efa voageja voavidin'ireo mpitondrana firenena vahiny ny haino aman-jery eto Madagsikara ... hatramin'ny RtM sy ny TvM !...).
- Nanapakevitra ry zareo firenena TELO (AMERIKA, AFRIKA ATSIMO, ary FRANTSA) fa RY ZAREO no AMATSY VOLA (sahala amin'izay efa nataon-dry zareo 53 taona izay 1960-2013) REPOBLIKA malagasy TELO samy MATY AMBOHOKA amin'ity POIZINA efa MAZAVA BE (vatsy VOLA MIAFINA sady FEFY fibahanana (barrière financière) no fisandoana - ny « solosaina » logiciel fisandoana ny valin'ny fifidianana efa fampiasan-dry zareo koa atsy Afrika – tsy adino ireo vahiny mody atao hoe « teknisiana mpanolotsaina » kanefa mpisandoka fifidianana no tena asany – ao koa ireo« BITRO vahiny navaokan-dry zareo avy any anaty satroka» hoe mpanara-maso vahiny hono saingy efa voakaraman-dry zareo ilaza fa VITA TSARA ny fifidianana eto Madagasikara sady TENA ENDRY !!! ny malagasy!. Dia ao koa ireo malagasy « BITRO malagasy voafantin-dry zareo voavidy » ho mpanara-maso nataondrizareo teny amboletra hoe « tsy miankina hono » CENI CENIT efa fahita tao Afrika kanefa ry zareo ihany no MISOKO mangina ao ; mbola ao koa ireo « BITRO malagasy mody atao hoe MPIFANINANA poak'aty ara-pitondrana firenena!»...ao koa ireo BITRO malagasy ao amin'ny HCC sy ingahy Norbert Lala Ratsirahonana izay mpisandoka efa ela ny Lalàmpifidianana sy ny Lalàmpanorenana ( faha Ratsiraka sy faha Ravalomanana) ary io mbola misandoka miaraka amin'ingahy Andry Rajoelina, manilika ny malagasy manana fahaizana ka ho voatokana ho an'ny olona TSY NAHITA FIANARANA na MIARAMILA tsy ampy na tsy nanavao fahalalalàna ny ny hoe Kandidà mahazo milatsaka ho fidiana Prezidà ny Repoblika...Ny TAFIKA malagasy, ny fiangonana FJKM-Andriamanitra efa samy nahetrin-dry zareo ho etam-barotra « BITRO » fitaovana atao amboletra...Ary indreo kosa soritana manokana ireto BITRO ROA ! amboletra :
Ho an'ny AMERIKA sy i AFRIKA ATSIMO
dia ataon-dry zareo amboletra :
OLONA TSY NAHITA FIANARANA
fa mpitondra ronono
(ingahy Ravalomanana) no tena tsàra
ho Prezidan'ny Repoblika
an'i Madagasikara.
Ho an'ny FRANTSA kosa dia :
OLONA TSY
NAHITA FIANARANA
fa
mpanpandihy Mpanao
afera dokambarotra hetsi-po
Atoa Andry RAJOELINA ataony amboletra ho Prezidà ny Repoblika.
.
3°)
Ny MARINA « mangarahara »
faha TELO.
53TAONA (1960-2013) izao REPOBLIKA Malagasy TELO samy MATY AMBOHOKA Fifidianana efa VOAPOIZINA
mialoha ka
samy niafara tamin'ny rotaka, famotehana, doro,
fitifirana samy malagasy, ratra, maty, ny
fiflalaovana hetsi-po amin'ny vata-paty etsy amin'ny
kianjan'ny 13 mai, ny fandosiran'ilay mpitondra naniry ny
ivalapatra mandritra ny fiainany « bitro avy tao
anaty satrok'ireo mpitondra vahiny » no « boloky
rehefa mba miteny amin'ny vahoaka na any ivelany »... Lasa
fitondrana adàla ! misolo fitondrana adàla efa
voakajin-dry zareo firenena TELO ireo...
MANGARAHARA
izany fa matoa misy fienena Nosy iray sahala amin'i Madagasikara,
DAROFAN'ny mpitondra firenena TELO fotsiny ( Amerika, Afrika
Atsimo, Frantsa ), mahavatra manao izao (53 taoana 1960-2013)
fampahoriana, fampahantrana maharitra vahoaka izao,
dia POROFO izany fa amin'izao fanontoloana (Mondialisation)
izao, dia TSY MISY FITSIPIKA na RAFITRA natao IARO
ireo firenena DAROFANA anaty fahantrana (aty Afrika sy i
Madagasikara) .Na ny ONU aza efa an-tanan-dry zareo firenena TELO
ireo.
Ny TAFIKA
Malagasy lasa BITRO ve ?
- Ao ireo nandositra, Amiraly nanapoka ny trosan'ny firenena, nanantena igalabona mandritry ny fiainany, nampitifitra malagasy, nanapoaka tetezan'ity firenena efa sahirana, nanao fairano faritra, ...nitsaoka nandositra any ivelany.ao koa ireo Kolonely tsy ampy ary osa fanabeazana ka migadra.
- Tao koa ireo JENERALY tsy nahalala menatra nisandoka fifidianana tao amin'ny Ministeran'ny Aty Tany.
- Ao ireo Kolonely lasa JENERALY nomen'ny Fitondrana avy ENY AN-DALAMBE tsy voafidin'iza n'iza (HAT CST CT,) grady JENERALY ! samy tsy misy mahalala menatra na ny fitondrana ADALA manome grady JENERALY na ny KOLONELY omena ny GRADY Jeneraly. Samy mandany vola be, milalao tsena miafina, mandimby fitondrana adàla, TSY VOAFIDIN'IZA N'IZA fa hita izao fa « BITRO » mivalapatra! napetraky ny mpitondra firenena vahiny ary BOLOKY poak'aty rehefa mba mandray fitenenana. ...mpanararaotra fahorian'ny firenena malagasy sy ny fanabeazana osa sahirana amin'ny fitondrana adàla ! mandimby fitondrana adàla!
Ary iza iry? Kolonely izy dia lasa praiministra ny fitondrana avy eny an-dalambe tsy voafidin'iza n'iza!...dia lasa jeneraly fitondrana avy eny an-dalambe! dia lasa MASOIVO any amin'ny OMC Organisation Mondiale du Commerce! any no miray mioko ireo firenena mahatanjaka mangeja ny nampahantrana! sady MASOIVO koa hono any Genève! misy ireo banky fanafenan'nireo Mpitondra firenena misandoka harem-pirenena! fitondrana avy eny an-dalambe ve sa mpitondra firenena vahiny any ivelany? ary ho tombontsoan'iza???
IZANY NO FAMBARA MARO ary POROFO fa MARATRA sady MANALA BARAKA mila FANARENANA FANAVAOZANA IFOTONY ara-dRAFITRA sy amin'ny lafin'ny SAINA amin'ny HAYfanabeazana sy ny tena HAYfampandrosoana ny TAFIKA Malagasy.
Ny
fivavahana FJKM-Andriamanitra koa ve ? dia lasa
fitaovana voahetry ho etam-barotra
« BITRO » koa?. Nivory nisoko mangina
tao Manakara ireo Pasitera ! FJKM (Aogositra 2012) ka avy
any no « niaviny indray »: Lasan'ny « BITROn'ny Amerika sy Afrika Atsimo »
(ingahy Ravalomanana nandositra any Afrika Atsimo) indray
ny FJKM-Andriamanitra voaetrin-dry zareo indray ho fitaovana sy
etam-barotra azo vidina, amidy ary voavidy!... Nisy tokoa ireo Pasitera TSY SAHY akory nanao tatitra
ilay amboletra amin'ny mpiangona !.
.
.
Ny
TONTOLO iainan'ny « politika » sy ny « ANTOKO
politika » 53 taona (1960-2013) VOAPOIZINA. Efa an-jatony maro
ary mbola itombo isa...Sehatra voakajin'ireo mpisandoka ho
gaboraraka ho feno « BITRO » : Tsy MISY fanabeazana
na dikany omena ny atao hoe « politika », TSY MISY Kahie
famerana « cahier des charges » mamaritra ny
adidy izay vao ny zo, TSY MISY lalàna mametra ny fefy, TSY
MISY lalàna mifehy ny famatsiana ara-bola, ny Ministry ny Aty tany
moa dia na sivily tao na miaramila tao dia samy BITRO lonaka anaty
tsikombakomba sandoka fifidianana...
Mazava
be izany fa fanaovana politika sy ANTOKO politika tsy MISY Etika
hafifehezan-tena, TSY MISY deonôlôjia haififanajana,...fa BITRO be dia
be nataon'ireo mpitondra firenena any ivelany sy ireo orinasa savorvoro
(multinationale) ho fanakorotanana amin'ny vatsy vola miafina sady
anao amboletra ireo Antenimiera roa.
MANGARAHARA
izao fa MIONDRIKA entin'ireo mpitondra TSY NAHITA
FIANARANA sady MPISANDOKA tena tsy
manana ny fahalalàna ara-pitondrana takian'ny andraikitra AVO, ny FIRENENA malagasy
53 taona izao (1960-2013).
« BITRO »,
« BOLOKY », « JAMBA », mpanararaotra,
manidy firenena anaty trosa, fahantrana, mamono an-jambany ny taranaka malagasy ireo fitondrana nifanesy 53
taona (1960-2013).
4°)
Ny MARINA « mangarahara » faha efatra.
Mbola
ireo IREO firenena TELO (Amerika, Afrika Atsimo sy Frantsa) ary ireo
« BITRO », « BOLOKY »,...mpisandoka napetran-dry zareo ireo
ihany indray hono no anao ny fifidianana ny Prezida
ny Repoblika eto Madagasikara sy ny Repoblika
vaovao !faha efatra ! amin'ny volana mai 2013 !
LOZA ! Izany tokoa no tena hoe : sady tsy
mahalala menatra ! No manala baraka an'i Madagasikara ! Efa nanetry ary mbola manetry ny vahoaka malagasy ho mpifidy adàla indray.
MAZAVA
mangarahara milamina HO AZY ary izao ny RARY
2013
TAONA VAOVAO, tena tsàra sy mendrika indrindra
ATAONTSIKA zanany ho an'i MADAGASIKARA.
HO
soa tafatambatra ho tambazotra lasitra fototra iray ho soa sy
mahay miara-miasa ny Hery velona, ny manampahaizana sy ny zanaka
malagasy (eto Madagasikara sy
eran'izao tontolo izao) ho amin'ny :
- Haifanabeazana ho olom-pirenena. - Haifampandrosoana an'i Madagasikara.
- MANOHY ny asany Ny Tambazotran'ny zanak'i Madagasikara, lasitra fototra efa natsangana ho amin'ny : haijery (vision) mitambatra (ny lasa, ny anio, ny rahampitso sy ny ho avy « ny taranaka malagasy sy i Madagasikara » ), ny haifitantanana ny fitondrana firenena, ny fanatsarana tsy miato, ny haifanentanana ary ny haifamondronana ireo fahaizana avo lenta anan'ireo zanaka malagasy eto an-toerana sy manerana izao tontolo izao ho amin'ny hai-fanabeazana maha olom-pirenena sy ny hai-fampandrosoana tena izy an'i Madagasikara.
- TSY AHETRY intsony ho « mpifidy adàla » « électeur imbécile » toa izay 53 taona lasa izay (1960-2013) ny vahoaka malagasy.Tsy avela intsony ho maty ambohoka foana amin'ny « poizina vatsy vola miafina » ataon'ireo mpitondra firenena vahiny any ivelany (te ametraka mpitondra firenena malagasy TSY NAHITA FIANARANA BITRO BLOKY adàla) ny fifidianana eto Madagasikara.53 taona izao (1960-2013) Repoblika telo filoha telo samy nitsaoka nandositra (rehefa samy nanao fifidianana misandoka, mandripaka harem-pirenena, miafara amin'ny herisetra, ady , famotehana, doro, fitifirana ny samy malagasy, ratra, faty, filalaovana hetsi-po amin'ny vata-paty etsy amin'ny kianjan'ny 13 Mai... tetezamita misandoka tsy lanin'iza n'iza, tsy mahalala menatra mivalapatra an-taonany maro mandany be, misoko mangorona tsena, manararaotra mandripaka harem-pirenena, fitaovan'ireo fitondrana firenena vahiny any ivelany , manimba ny Tafika malagasy, manimba ny Fivavahana Fiangonana fjkm, manimba ny fanabeazana..., adàla manetry ny firenena an-jambany anaty fahantrana maharitra).
- TSY HISY intsony ny « Lasa fitondrana adàla ny firenena» malagasy misolo « fitondrana adàla »... efa vita kajy ataon'ireo mpitondra firenena vahiny any ivelany izay sahy mandefa Afrikana anome lesona ho an'ny malagasy ny atao hoe « fahendrena Malagasy »...
- Ho voatsabo tanteraka ireto Aretina FITO ifotony izay efa voavoitra ary efa hita vaha olana matotra sy maharitra ho ampiarina.- Ny Tontolo iainan'ny Fifidianana sy ny hifehezana ny Antoko politika.- NY Tontolo iainan'ny Lalàna sy ny Fitsaràna.- Ny Tontolo iainan'ny toetsaina orinasa sy ny Toekarena tia tanindrazana.- Ny Tontolo iainan'ny Fanabeazana sy ny Fampianarana.- Ny Tontolo iainan'ny Fitondrana Firenena.
- Ny fanarenana
ara-drafitra sy eo amin'ny lafin'ny saina ny atao
hoe TAFIKA malagasy (ny fianarana sy
fanabeazana fototra omena ireo miaramila ary
indrindra ny fianarana mitohy tsy
miatoho fanatsarana izany mba tsy ampidi-doza manalabaraka firenena intsony
53 taona izao)
- Ny fandraràna ny
fampiasana ny birao fiangonana (fjkm) ho fitaovana
politika (amin'ny dikany maloto).
5°)
Tsy hisy intsony ny hoe FIDIO fa bôgôsy, na Pasitera,
na Mpitondra Ronono tsy nahita fianarana, na mpanentana Dihy
sy hetsi-po dokambaratra tsy nianatra firy, Na Amiraly...na Jeneraly
tsy manana, na tsy nanavao fahaizana takian'ny andraikitra, na tena
Endry fa tsy nahita fianarana!!!...na dia toanana mpanakanto
aza...
6°)
Fifidianana tsy hitsabatsabahan'ny firenena vahiny, tsy mila mandany
vola be, fa vola an'ny fitondrana malagasy tsinjaraina mitovy.
7°) TSY AVELA INTSONY ho gaboraraka 53 taona (1960-2013) mampididoza ny TONTOLO iainan'ny
politika sy ny antoko politika.
- Hisy boky famerana (cahier des charges) ho an'izay te anangana ka voalaza ao ny adidy sy ny zo.
- Ny Lalàna mametra ny fefy, sy ny sazy ampiarina.
- Ny Lalàna mifehy ny famatsiana ara-bola sy ny sazy ampiarina.
- Ny andrimaso mandrindra ny fanatsaràna tsy miato.
9°)
Amin'ny 1er Aogositra 2013 no fifidianana Prezida ny
Repoblika madio ary ny Jolay 2013 ny fampielezan-kevitra.
Tsy
misy manilika malagasy hilatsaka ho fidiana (na i Pr Tahina aza
hafaka milatsaka hofidiana).
Malagasy
sahy ary TSY MAINTSY mifanatrika mivantana amin'ireo
mpifaninana aminy, eo imasom-bahoaka, manamporofo fa ananany
ny hai-jery mitambatra ny lasa, ny anio sy ny
rahampitso, ireo aretina ifotony nandaroka 53 taona 1960-2013 anty lavaka misy ireo firenena mahantra nampahantrana indrindra eto an-tany,
izay izy vao manome ny praogramany mampangarahara
ny fahaizany sy ny fahalalany hitondra ny firenena.
Mazava
ho azy fa ilatsaka ho fidiana i Pr TAHINA
ASARAMANITRA
e !
RARY
SOA TAONA vaovao 2013 !
ho
anareo sy ho an'i MADAGASIKARA tanindrazana iombonantsika asandratra
ho AVO !