Ny RARY tsara indrindra, tena soa sy mendrika
ataontsika zanany ho an'i Madagasikara
Rafitra telo no manentana ity tafa, dinika, filazana vaovao, fanabeazana maha olom-pirenena, fitiavana tanindrazana sy ireo hay ho tena fampivoarana an'i Madagasikara ity:
Madagascar Animation Culturelle pour le Développement
ny Hery Velona, ny Fahaizana ambony , sy ny Fahaizana Avo lenta
an'ny zanak'i Madagasikara (ny eto Madagasikara sy aty ivelany).
Réseau Citoyen du Patriotisme
des Forces Vives, des Intellectuels et des Elites (RCP-FVIE) Enfants de Madagascar
à Madagascar et la diaspora à travers le monde
Ny Fiaraha-mientan'ny Olom-pirenena ho Fampivoarana an'i Madagasikara
Le Rassemblement Citoyen pour le Développement de Madagascar (RCDM)
Ny mpiandraikitra sy namorona ireo rafitra telo ireo:
Profesora Ny Haimarolafy sy ny Rohivondronan-taranja
Professeur pluridisciplinaire et interdisciplinaire
Des grandes disciplines de Gestions Marketing Finance
Technologie et production Mathématiques appliquées
Ressources Humaines Communication et Culture
Méthodologie Pratique systémique Mondialisation
Stratégie de développement
INSA Ecole d’ingénieur CNAM Epac Saint Cyr
Consultant en ingénierie du système éducatif et des formations
En ingénierie de l’entreprise audit systémique et stratégie du développement
Aza adino ny mamangy ny site : madagascar animation culturelle pour le développement
Ny tanjona ve? (Mazava ho azy)
Ary satria ireto no zava-nisy, zava-doza, zava-misy marina tsy azo hidivirana, tsy maintsy jerena hatrika ary tsy maintsy vahana olana.
1°) 52 taona (1960-2012)izao i Madagasikara no latsaka anaty lavaka misy ireo tany mahantra (nampahatrana) indrindra eto an-tany.(cela fait 52 ans (1960-2012) que Madagascar est officiellement classé dans le groupe des pays les plus pauvres (appauvris) du monde).
Fitondrana telo samy lonaka anaty fitaka, sandoka, misandoka fifidianana filohan'ny Repoblika amin'ny fibahanana ara-bola miafina fihaviana « kolikoly » avy amin'ny firenena ivelany omena tsena antsokosoko, tsy mahalala menatra fa dia misandoka ara-tsaina lalampifidianana sy lalampanorenana, manao amboletra ny antenimiera,...antoko politika tsy misy dikany maha olompirenena ny hatao hoe politika (vide de définition citoyenne du mot politique), baranahiny tsy misy kahie mamaritra ny adidy sy ny zo ny mpanao politika(vide de cahier des charges des devoirs et du droit des partis politiques),tsy misy hay fifehezan-tena (vide d'éthique), tsy misy hay fifanajana (vide de déontologie), tsy misy lalàna famerana ny fanaovana politika (vide de cadrage juridique des partis politiques) ,tsy misy lalàna famerana ny famatsiana ara-bola (vide de loi sur le financement des partis politiques), dia lonaka anaty kolikoly fitaka sy sandoka (un système de gouvernance et de présidence de la République mort né englué dans le faux l'escroquerie la malhonnêteté intellectuelle, en habit du dimanche qui débouche sans surprise dans la violence répétitive)...dia rotaka, fanapoteana, fandorona, fandratrana, famonona, fampiderana ny vata-paty ilalaovana hetsi-pon'ny vahoaka etsy amin'ny kianjan'ny 13 mai...ny fandosirana tsy mahalala menatra.
Dia mitsangana indray izato HAT teteza-mita fa maharitra « taona maro », rehefa avy nilalao ny hetsi-po tamin'ny vata-paty mbola tetsy amin'ny kianjan'ny 13 mai ihany , dia io efa tena lonaka anaty fitaka sy sandoka, tena mandany be sady tsy misy fahaizana manazava ny tena olana ifotony, tsy misy vaha olana matotra sy maharitra ho fanarenana ara-drafitra sy ara-tsaina ny firenena. Lonaka anaty fitaka sy sandoka ny HAT, CST sy CT an'ingahy isany Andry Rajoelina sy Norbert Lala Ratsirahonana ( ingahy Norbert Lala Ratsirahonana araka ny efa fantatry ny vahoaka malagasy maro dia sady filohan'antoko politika no efa imbetsaka nampidi-doza nikirakira manamboatra ny Lalampifidianana sy ny lalampanorenana araka izay mahasoa ny tenany tamin'ny fitondrana Ratsiraka sy Ravalomanana sy ny hery firenena ivelany niraisandrizareo « petsapetsa »).
Izao ary dia efa namboarin'ingahy isany Andry Rajoelina sy Norbert Lala Ratsirahonana ho an'ingahy Andry Rajoelina manokana ny Lalampifidianana: 35 taona fara-fahakeliny ary ny malagasy miasa any ivelany tsy mahazo milatsaka.
(I profesora Tahina mpampianatra aty ivelany izany tsy mahazo milatsaka ho fidina hono ...).
Fahaizana ve izany? sa hafetsena an'ingahy isany Andry Rajoelina sy Norbert Lala Ratsirahonana izany?
Mazava ho azy fa tsia! Izany no hatao hoe sady kanosa tsy sahy mifanatrika amin'ny haino aman-jery no tsy mahalala menatra misandoka ara-drafitra sy ara-tsaina lalampifidianana sy lalampanorenana, sady tetezamita manararaotra mandroba tsena iraisana tsikombakomba amin'ny vahiny, no mandany be ny arenan'ny firenena efa sahirana tsy mahalala menatra mbola manetry ny vahoaka malagasy ho mpifidy adàla.
Mazava ho azy ny RARY tena tsara, tena soa, tena mendrika indrindra ataontsika zanany ho an'i Madagasikara !:
Dia manao veloma am-panajana mandra-piresaka indray ho antsika olom-pirenena.
Rennes 23/01/2012
Ny profesora Johnson Jacky TAHINA