samedi 28 juin 2008

26 jiona voninahitra fifaliana ary alahelo sy henatra

TAFA DINIKA SERASERA FANABEAZANA
maha OLOM-PIRENENA
Aza adino ny mamangy ny site Magagasikara manentana ny kolontsaina ho fampivoarana tsindrion fotsiny eto ambany eto:
indro ary ny dinika ataontsika androany:
26 jiona 2008
VONINAHITRA sy FIFALIANA
ALAHELO sy HENATRA
26 JIONA 2008 VONINAHITRA sy FIFALIANA
tojo fifaliana sy voninahitra isika ary mahatsapa fa tena zava-dehibe tokoa izany hoe zanak'i Madagasikara sy ny kolontsaina maha malagasy izany ny tena.
48 taona izao ny fahaleovantena ary tsy nitsahatra niandrandra hay hay-tao hay-fijery mitambatra, hay-famindra, hay-fanentanana ara-drafitra sy ara tsaina fampivoarana amintsika zanany izy.
Mipetraka ho azy ary ny fanotaniana :
Nandritry izay 48 taona nahaleotena izay moa ve nahay nifanome tànana ara-hay asa soa fifameno ireo tena hery velona sy manampahaizana malagasy ho fampivoarana ara-drafitra sy ara-tsaina an'i Madagasikara sy ny kolontsaina maha Malagasy ?
Ny zava-nisy ny zava-misy dia manamporofo mampalahelo fa TSIA !
48 taona 1960 - 2008 i Madagasikara sy ny malagasy no latsaka anaty lavaka misy ireo firenena mahantra indrindra eto an-tany !
TSY azo avelavela amin'izao intsony ny tanindrazantsika ary tsy ilana hoe 20 taona any vao fantatratrireo mpanao tantara ny tena antony; TSIA! efa mandroso be ny hay sy ny fitaovana efa misy ny AODIA ( Audit) sy ny Hay soa fitandremana ( VEILLE ) dia azo ampiasaina ampazava be mialoha ireo sakana na faosana na fitaka sy sandoka mampididoza firenena ka tsy maintsy avoitra mazava ny tena olana ifotony itondrana ny sedra sy vahaolana ary hay fanitsy ( régulation ) sahaza azy ho soa ho an'ny firenentsika sy ireo taranaka malagasy mbola ho avy.
ALAHELO sy HENATRA
Raha hatao ny jery todika izay 48 taona 1960 - 2008 izay dia MAZAVA BE ny zava-nisy ny zava-misy NAHALAVO ny tanindrazantsika anaty fahantrana !
Tsy hafaka tsy nahay nifanome tànana ho soa fiarahamiasa ireo tena hery velona sy manampahaizana malagasy eto Madagasikara sy any ivelany. voazarazara miparitaka voaripaka voafitaka mitsipotipotika ara-drafitra sy ara-tsaina!
Ny antony ve ? Ny olana ifotony ? MAZAVA BE !
Ny fitondrana nifanesy no tompon'andraikitra feno aminin'ireo fahavoazana mahery vaika ireo!
Ry Tsiranana-pisodia sy ry Ratsiraka-Arema, ary Ravalomanana-TIM !
Fitondrana lonaka anaty fitaka sy sandoka toy izao no nataondrizareo ireo:
Izy filoha mbola hilatsaka ho fidina ihany no mikobona irery tsy mahalala menatra ny lalam-pifidianana sy ny lalampanorenana araka izay mahasoa ny tenany.
Sady manome tsena vahiny no manome tsena ny tenany no mikirakira arem-pirenena no miafina famatsiana ara-bola ny fifidianana ho filoham-pirenena , no miafina famatsiana ara-bola ny antoko politikany ( Pisodia Arema TIM ).
150 hono ny antoko voasoratra ao amin'ny ministeran'ny aty tany. Kanefa tena tsy takatry ny saindrizareo fa efa mibaribary amin'ny vahoaka fa ny tena olana goavana mandripaka dia ny antoko sy ny fanaovana politika tsy misy famindra ara-panabeazana ( vide de pédagogie citoyenne ) tsy misy hay fifehezan-tena ( vide d'éthique ) tsy misy hay fifanajana ( vide de déontologie ) tsy misy famerana lalàna ( vide cadrage juridique ) sady miafina famatsiana ara-bola ny fifidianana filoham-pirenena sy ny antoko ka ilay mijoro ho filoham-pirenena mikirakira tsena sy arem-pirenena no miafina famatsiana ara-bola indrindra ny antokony (le premier corrompu de fait de la Nation)
Tsy mahalala menatra fa mbola izy hilatsaka hofidina ihany no manendry mivantana sy an-kolaka ny mpiasa mpanjakana Hcc milaza fa mbola izy ihany no lany sady premié toro dia vita hono ! tena tsy mahalala menatra !
Izay indray dia hatao amboletra fenoiny ny antokony ny antenimiera ary lasa ny firenena efa sahirana no mivesatra mamatsy vola ny antokony ary izay lalàna tiandrizareo mianakavy ao dia laniny ho azy ao!
Ny vahoaka mpifidy amin'izany dia nahetrindrizareo sanatria ho mpifidy adàla ( électeur imbécile)...
Simba ho azy ! Ripaka ara-drafitra sy ara-tsaina daholo na ny tontolo iainan'ny fifidianana ny hatao hoe politika, ny tontolon'ny lalàna sy ny fitsarana, ny tontolon'ny toekarena, ny tontolon ny fanabeazana, ny tontolon'ny fitondrana firenena !
izany no niaretantsika 48 taona ! loza! mampalahelo! mahamenatra !
Tsiranana-Pisodia Ratsiraka-Arema Ravalomanana-TIM
Sady mampalahelo no mahamenatra ny mijery fitondrana mandripaka mampahantra tsy mahalala menatra!
manamafy ny antso efa nataonay izahay
Aoka isika Malagasy tia tanindrazana tsy hisy hifidy intsony mandrampahahitsy ara-drafitra sy ara-tsaina ireo fitaka sy sandoka ireo.
Aoka tsy hisy intsony hiteaka na an'ingahy Ratsiraka na ingahy Ravalomanana.
Tsy ilana fotoana betsaka ny fanitsiana ireo fa telo volana dia vita.
Efa vonona ny vahaolana ara-drafitra sy ara-tsaina azo hatao.
Ny fiarahamientana politika Ny GaSy soafifameno fampandrosoana dia efa ela no vonona andray ny andraikiny manodidina latabatra hifanazavana sy ho fanentanana fanarenana matotra sy soa maharitra.
Johnson THAÏNA
Professeur Pluridisciplinaire et interdisciplinaire
Enseignant d'Economie de Droit et des Institutions
des Grandes disciplines de Gestion Marketing Technologie et Production
Finance et comptabilité Ressources Humaines Mathématiques
Management Pratique Systémique Stratégie et Ingénierie du développement
à Rennes et à Madagascar
Mpiandraikitra ny fiarahamientana politika Ny GaSy Soafifameno fampandrosoana
MPANOHITRA ireto fitondrana telo:Tsiranana-Pisodia Ratsiraka-Arema Ravalomanana-TIM

Aucun commentaire: