mardi 10 juin 2008

Fitondrana 48 taona lonaka anaty fitaka sy sandoka

TAFA DINIKA SOA sy HAY SERASERA FANABEAZANA ary PEDAGOJIA
MAHA OLOM-PIRENENA
Rehefa avy mamaky ity blaogy ity ianao dia aza adino ny miverina eto dia tsindrio eto http://wwwmadagascar-animation-culturelle.net
ho tonga soa ato amin'ny site
Madagasikara manentana ny kolontsaina ho fampivoarana ianao.
1960 - 2008 : 48 taona izao no naha mahaleotena antsika. Ny zava-misy anefa dia tsàra raha ho fantatsika Malagasy tia tanindrazana izay mbola tsy maintsy hitondra miakatra ara-drafitra sy ara-tsaina ny fampivoarana matotra mendrika sy maharitra, ary indrindra ho famaritra ( repères) ho an'ireo taranaka malagasy mbola ho avy.
Indro ary tafa sy dinika fanazavana fa:
48 taona izao 1960 - 2008
Tsiranana-pisodia , Fitondrana Ratsiraka-arema, fitondrana Ravalomanana-TIM
Fitondrana TELO Samy LONAKA anaty FITAKA sy SANDOKA
MANIMBA ara-drafitra sy ara-tsaina firenena MANDRIPAKA an-jambany
1°) Tsy mahalala menatra ingahy Ravalomanana fa dia nokobokoboniny izy irery tao ny lalampifidianana araka izay tiany nanaovana azy ( misandoka mitovy amin' ry Tsiranana sy Ratsiraka ihany).
2°) Tsy mahala menatra ingahy Ravalomanana fa sady manome tsena vahiny no mikirakira arem-pirenena kanefa miafina famatsiana ara-bola fifidianana sy ny antokony TIM. ( misandoka mitovy amin'ry Tsiranana sy Ratsiraka ihany ).
3°) Mbola tsy mahalala menatra ihany ingahy Ravalomanana fa izy tenany ihany no manendry mivantana na an-kolaka ny mpiasam-panjakana Haute cour constitutionnelle izay ilaza fa izy tenany ihany no lany ary dia mangina ny resaka famatsiana ara-bola miafina. ( misandoka mitovy amin' ry Tsiranana sy Ratsiraka ihany).
4°) Tena tsy mahalala menatra ingahy Ravalomanana fa avelany anaty tontolo lonaka fitaka sy sandoka ny tontolo iainan'ny politika eto Madagasikara: tsy misy lalàna mametra ny famatsiana ara-bola, tsy misy famindra fanabeazana, tsy misy lalàna mifehy ny antoko, tsy misy hay fifehezan-tena(éthique) tsy misy hay fifanajana (déontologie)
(lonaka anaty fitaka sy sandoka mitovy amin'ry Tsiranana sy Ratsiraka ihany)
5°) Tsy mahalala menatra ingahy Ravalomanana fa rehefa vita ny fifidianana sandoka maha filoha azy dia indro manao AMBOLETRA tsetsemana TIM daholo ny andrim-pitondrana rehetra ka ny firenena efa sahirana indray no lasa ampibabena ny famatsiana ara-bola ny antokony TIM hatrany Suisse? loza! ( mitovy amin'ry Tsiranana sy Ratsiraka ihany ).
6°) Tsy mahalala menatra ingahy Ravalomanana manome lesona Bianco sy ny kolikoly ( corruption) kanefa izy tenany aza sady manome tsena vahiny no mikirakira arem-pirenena sady miafina famatsiana ara-bola fifidianana no miafina famatsiana ara-bola ny antokony TIM. ( mitovy amin'ry Tsiranana sy Ratsiraka ihany).
7°) Tsy mahalala menatra ingahy Ravalomanana satria tena tsy takatry ny sainy fa rehefa lonaka anaty fitaka sy sandoka anie ny fifidianana filoham-pirenena dia tsy misy intsony fifampatokisana ary simba ho azy ireto FOTOTRA DIMY tsy azo sarahina satria mifampiankina ireto:
Ny tontolon'ny LALANA, ny Tontolon'ny TOEKARENA, ny Tontolon'ny FITONDRANA (Institutions) ny tontolon'ny FANABEAZANA,ny tontolon'ny FANAOVANA POLITIKA.
(Mitovy amin'ry Tsiranana sy Ratsiraka ihany!).
FEHINY
48 taona izao i Madagasikara no niandrandra hay sy soa fifanomeza-tànana ho fampivoarana azy amin'ireo zanany Malagasy na eto an-toerana na any ivelany.
Na Tsiaranana-pisodia na Ratsiraka-arema na Ravalomanana-TIM dia samy namono ambohaka izany satria rehefa lonaka fitaka sy sandoka ny fifidianana dia lonilony lava eny, diso ady atao, diso fitaovana enti-miady, diso toerana iadivana, diso hery iadivana, miteniteny faona, mandany be, hambo diso toerana,... tsy mahay tsy sahy tsy hafaka miara-misa intsony ny tena hery velona sy ny manam-pahaizana malagasy. Mahery vaika anefa ny hatao hoe Mondialisation.
Tsy resaka Kaominisma, na sosialisma poakaty na liberalisama habibina (sauvage) na revolisiaona izy ity fa fanitsiana am-pahamendrehana ara-drafitra sy ara-tsaina ny fitondrana an'i Madagasikara 48 taona lonaka anaty fitaka sy sandoka.
VAHA OLANA matotra sy maharitra
Manomboka amin'ny 26 jiona 2008
1°) Hatsangana ny Haute autorité mixte de veille d'audit et de régulation de l'Etat. (ampidirina ao ny Haut Conseil Constitutionnel).
2°) Hatao ny lalàna mametra ny zo sy adidy ary ny sazy mifehy ny antoko Politika sy ny fanaovana politika, ny famatsiana ara-bola ny fifidianana sy ny antoko.
3°) ajoro ny governemanta iraisana ho stratejikan'ny fampivoarana.
Ny fiarahamientana politika malagasy " Ny GaSy soa fifameno sy ny profesaora Johnson Jacky THAÏNA manoratra ity tafa sy dinika ity dia vonona andray anjara amin'izany.
4°)hatao ny fifidianana mangarahara ny tena solombavambahoaka ho antenimiera ho loharano mpanentanana fa tsy fanaovana AMBOLETRA sandoka intsony !
5°) Hatao ny fifidianana mangarahara mendrika izay ho filoham-pirenena.
Izay rafitra fitondrana iraisan'ny tena hery velona sy manam-pahaizana malagasy izay no mifanaraka amin'ireo firenena ivelany hitsinjo ny hay fijery mitambatra ara-drafitra sy ara-tsaina ho fanasoavana maharitra an'i Madagasikara, ny Malagasy sy ny kolontsaina maha Malagasy.
Raha mbola miziriziry manohy izao famindrany izao ingahy Ravalomanana dia ny manao antso avo ho an'ny vahoaka Malagasy sisa vaha olana.
MAZAVA ny teninay: Ny fitondra Tsiranana-pisodia ny fitondrana Ratsiraka-arema ny fitondrana Ravalomanana-TIM dia samy manimba mamono mandripaka ny hay ny adidy ny fahafahan'ireo tena hery velona sy manam-pahaizana malagasy anarina ary iantsoroka ara-drafitra sy ara-tsaina ny tena fampivoarana.
Tsy ny MAP hatao teny angilisy akory no hitondra mankaiza. Mbola ho fandaniana be fahatany io satria sady tsy marim-pototra no mbola amboletra anaty lonilony, fitaka sy sandoka ara-drafitra sy ara-tsaina ny fitondran'ingahy Ravalomanana sy ny TIM.
Mampalahelo tokoa ny mahazo ny firenena 48 taona izao.
Johnson Jacky THAÏNA
Professeur pluridisciplinaire et interdisciplinaire
Enseignant d"Economie de droit et des Institutions
des Grandes disciplines de Gestions: Marketing Production et Technologie
Mathématiques appliquées, finance, Ressources Humaines, Management
pratique systémique et stratégie de développement
Académie de Rennes et à Madagascar
Président fondateur du mouvement politique
Ny GaSy ka soa fifameno fampandrosoana
Voagejan'ny fitondrana sy ny mpanambola ny filazana vaoavao TV radio gazety eto Madagasikara koa heverinay fa tsara raha misy blaogy manentana ny tafa dinika hay sy soa serasera fanabeazana sy pedagojia maha olom-pirenena.
Aza adino ny mamangy ny site tsindrio eto. Ilazao ireo havana aman-tsakaiza.

Aucun commentaire: